TENY GASY

Tandrovy ny fahamboniana ara-panahy


  • Alarobia 11 Oktobra 2023

Manavao ity hetsiky ny kandidà 11 ity. Natao daholo aloha ny ala-nenina rehetra,

voafaritry ny didy aman-dalàna. Mbola nanantena ny Fitsarana hanao ny asany marina. Rehefa tampina ny lafin’ny lalàna vao nirotsaka an-dalambe. Filaharana tsy misy fikasana hanimba zavatra na hikasi-tanana olona na hanitsakitsaka ny andrim-panjakana. Ary satria moa mihidy Analakely dia miparitaka manerana ny Renivohitra ny «fitetezam-paritra». Ankehitriny aza, efa misy «hetsika fotsy» ihany koa amin’ny tanàna hafa ankoatra ny Renivohitra. Ireo voatanisa ireo no mandrafitra ny «supériorité morale», fahamboniana ara-panahy, imason’ny Malagasy, imason’ny Vahiny, ary imason’ny Fitondrana.

Efa nanimba loatra ity firenena ity ny fomban-jiolahim-boto, ka tsy azo hodian-tsy hita ny fahamendrehana naseho tao anatin’izay herinandro voalohany nanehoan-kevitra an-dalambe izay. Raha izao ny mason’izao tontolo izao no aty amintsika, dia sary tsy mampitsanga-menatra no ho hitany. Maninona moa ny sasany mahazo anarana mendrimendrika hoe «Révolution de la Dignité» (Kiev, 2014), na «Révolution des roses» (Tbilissi, 2003), na «Révolution des oeillets» (Lisbonne, 1974), fa isika no ho tsy maintsy tondroi-molotra sy hangarihana ?

Ny tanjona, amin’izay «fiovana» katsahina, dia ny tsy hisian’ny fomba ratsy fahita hatrizay. Na eo amin’ny Fitondrana, zatra loatra manararaotra ny fahefany. Na eo amin’ny fanoherana, nandorana ny Lapan’ny Tanàna (1972), nandorana ny Radiom-pirenena (2009), nandrobana trano sy fivarotana (1991, 2002, 2009).

Rehefa tampin-dalan-kaleha eny amin’ny Antenimiera vita ampihi-mamba, rehefa tampin-dalan-kaleha manoloana ny Fitsarana tsy miasa araka ny hitsiny sy ny rariny, dia voatery mivoaka ny lapam-panjakana sy ny andrim-panjakana. Mahagaga mihitsy fa tsy maka lesona amin’izay efa nitranga ombieny ombieny ny Fitondrana sady jamba no marenina. Demokrasia vao mitaiza-tena tokoa, mbola miana-mamindra na dia efa diabe mitombo an-dalana aza.

VANF

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT