Tennis- U14

Efa any Casablanca ny Malagasy


  • Alakamisy 12 Septambra 2024

Asa aloha raha mba misy fandraisana anjara avy amin'ny minisiteran'ny Fanantanjahatena na mbola ny

Ray aman-dReny ihany no manao soavaly mianto-bilona fa dia efa miatrana any Casablanca ireo ankizy telo mianadahy latsaky ny 14 taona. Lalana tsy maintsy hizorana anefa izay fandraisana anjara amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika raha araky ny filazan'i Dina Razafimahatratra mpanazatra. Tsy mandray anjara hoy ihany izy raha mieritreritra handeha lavitra. Mahavelom-bolo anefa ny vitan'ireo ankizy ireo raha tsy hiresaka afatsy Soa Ainatia Andriamaniraka izay eo amin'ny laharana faha 13 eto Afrika aminnio sokajy taona io. Na izany aza tamin'ny fifaninanana notontosaina tena amin'ny CAR teny Ivato dia efa nandresy mpilalao eo amin'ny laharana faha 6 sy faha 8 i Soa Ainatia Andriamaniraka. Midika izany hoy i Dina Razafimahatratra fa manana ny ho aviny ity mpilalao ity ka tokony hiditraka fanampiana avy amin'ny fanjakana ka ho azo alahatra amin'ny Lalaon'ny Nosy atsy Comores. I Éliane Matei Randrianasolo no tovovavy faharoa ao amin'ny Mounfir Tennis Academy ao Casablanca. Izy indray dia laharana faha 18 eto Afrika. Ny lahy tokana any Maraoka dia i Ny Avo Razafindrazaka izay laharana faha 9 eto Afrika. Izy telo miandahy ireo izany no hiaro ny voninahitry ny...ray aman-dreniny raha tsy hoe mba nisy fandraisana anjara na kely aza avy amin'ny minisitra vaovao Marson Moustapha.
Clément RABARY 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT