Sport

Tennis - Tompondakan'ny Afrika U18 Tafita amin’ny ampahavalon-dalana i Miotisoa


  • Talata 07 Febroary 2023

Mandray anjara amin'ny fiadiana ny ho tompondakan'i Afrika eo amin'ny tennis latsaky ny 18 taona i Madagasikara.

I Miotisoa Rasendra eo alon'ny vehivavy ary Tefy Ranja Rabarijaona eo amin'ny lehilahy. Raha fanasana manokana, wild card, no azon'ity farany mandray anjara dia tafiditra ao amin’ny tabilao lehibe kosa i Miotisoa noho ny laharany eo amin'ny sokajy junior eran-tany. Misy dia misy ny fanantenana indrindra ho an'i Miotisoa izay efa zatra fifaninanana avo toy izao. N'y tombony dia ny fananany mpanazatra efa matihanina satria dia efa an-toerana i Dina Razafimahatratra ilay Tale Teknika Nasionaly taloha. I Dina Razafimahatratra aza moa dia nantsoin'ny federasiona iraisam-pirenena hitazona ny toeram-piofanana any Sousse Tonizia saingy nolavina izany noho ny fitsinjovany ny fianaran-janany any Libreville Manana finoana aho amin'ny ho avin'ny tennis malagasy hoy i Dina izay nanamarika fa vao 16 taona sy tapany i Miotisoa.


Raha ny vaovao farany omaly hariva dia tafita any amin'ny ampahavalon-dalana i Miotisoa raha resin'ilay avy atsy Togo, Koffi André Digbefou kosa i Tefy Ranja Rabarijaona tamin'y seta roa, (5/7 ; 4/6). Lasa miady filaharana sisa i Tefy. I Miotisoa moa dia nandresy ilay Afrikanina tatsimo tamin'ny seta 2 noho 1 (6/2 ; 4/6 ; 6/1).
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT