Tennis Juniors eran-tany

Mbola nibata fandresena indray i Miotisoa Rasendra


  • Alakamisy 02 Mey 2024

Mafy, tena mafy ity Miotisoa Rasendra ity raha samy junior ihany.

Efa nijanona elaela izy noho ny ratra nahazo azy fa vao tafaverina izy dia izao mandravarava izao. Vao avy nibata fandresena tany Accra i Miotisoa Rasendra dia izao nahazo ny fifaninana iraisain'ireo sokaji-taona eran-tany io indray ny faran'ny herinandro tany Abidjan. Resiny teo amin'ny famaranana ilay Tchèque Nicole Cukasova izay nitsoaka an-daharana teo amin'ny seta fahatelo raha efa nitarika 5 noho 3 i Miotisoa. Ity mpilalao avy any Tchèque ity anefa no nahazo ny seta voalohany 6/3 saingy namaly botana i Miotisoa ka nahazo ny seta faharoa 6/3. Nahazo aina izy ny seta fahatelo ary nitarika foana ka voany teo amin’ny lazon'ady ilay mpifanandrina taminy ary nitsoaka an-daharana. Mendri-piderana ny zava-bitan'i Miotisoa izay soavaly miato-bilona satria mitaza-potsiny ny ministera fa ny ray aman-dreniny no tena manohana Toy izany koa ny mahakasika an'i Mirija Andtiatefihasina sy Mahery Raoily izay tonga tany Abidjan ihany koa. Tsy tonga fe tonga anefa fa mbola nitondra avo ny voninahitry ny Malagasy. Tody teo amin'ny famaranana olon-droa miaraka mantsy izy roalahy ireto raha samy niady ny manasa-dalana teo amin'ny olon-tokana. Efa manangasanga izany ny zaza mpandimby satria efa azo lazaina fa afaka hilahatra amin'i Toky Ranaivo izy ireo aoriana kely ao. Indrindra raha mbola manohana ny ray aman-dreniny satria tsy misy afatsy ny fandraisana anjara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena raha te ho tafita.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT