Tennis Coupe Davis

Nisantatra fandresena ny Malagasy


  • Alakamisy 18 Jolay 2024

Efa any Botswana ny ekipa malagasy hiady ny fiakarana ho Vondrona faha 4 amin'ny Coupe Davis.

Ao amn'ny satroka C no misy ny Akomba izay tarihin'i Dina Razafimahatratra mpanazatra. Asa aloha izay hiseho fa misy tokoa ny fanantenana hiakarana Vondrona faha 4, hoy i Dina Razafimahatratra izay voatery nanova kely satria naratra tamin'ny ora farany i Lucas Andrianasy ka nosoloiny an'i Antso Rakotondramanana izay efa tena voky traikefa raha ity Coupe Davis ity. Ao anatin'ny ekipa koa ny zanak'i Justin Valiha, Valentin Rakotondrasoa izay miofana ao amin'ny Akademia iray ao Espana. Ny mpilalao fahatelo dia misitraka vatsim-pianarana any Etazonia sady milalao tennis. Efa 22 taona ny lehilahy ary tena mety manao zavatra hoy indrindra i Dina Razafimahatratra. Ny tanjona moa dia ny ho laharana voalohany ao amin'ny satroka misy azy satria ankoatra an'i Botswana dia ahitana ny Lesotho ary Libye. Raha afaka eo vao mihaona manao playoff amin'ny voalohany ao amin'ny satroka misy an'i Gabon, Ouganda, Soudan ary Seychelles. Fehiny dia mety ho lasa Vondrona faha 4 ihany i Madagasikara fa anjaran'ny mpanazatra no mandahatra ireo mpilalao mety ahazoana vokatra.
ENCADRE
Raha ny voikatra omaly dia nandresy 3-0 an’i Lesotho isika.

-Simple 2 : Valentin Rakotondrasoa nandresy an’i Bishop Mosebi 6/1 6/1

-Simple 1 : Dylan Andrianaly nandresy an’i Mpho Leshoele 6/4 7/5

-Double : Valentin Rakotondrasoa/Antso Rakotondramanga nandresy an’i Bishop Mosebi/Mpho Leshoele 6/3 6/0

Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT