Sport

Tennis Club de Mahajanga Mbola tsy hafindra aloha


  • Alatsinainy 09 Novambra 2020

Tsy hiala amin'ny toerana misy azy amin'izao ny toeram-pilalaovana « tennis » raha tsy vita ny fotodrafitrasa hamindrana azy.

 

 Ao anatin' ny tetikasa fanamboarana ny « Gymnase » ny ao Mahajanga, ka mety halaina ny tany misy ny Tennis Club de Mahajanga (TCM) izay mifanila amin' io kianja io ihany. Marihina fa io tany io dia misoratra ara-dalàna amin'ny TCM, ary efa nisy ny fifanarahana fa omena toerana sy hananganana fotodrafitrasa tsara ary afaka ampiasany izy ireo vao miala eo. Izany hoe toerana ahitana kianja tennis miisa telo sy toeram-pialana hetaheta. Efa nisy ny fifanarahana teo amin`ny ministeran'ny Tanora sy Fanatanjahan-tena, ny Kaominina Mahajanga I ary ny filohan'ny TCM fa hafindra ao amin'ny Espace kaominina, izay ao andamosin' ny kianja Rabemananjara ity toeram-pilalaovana tennis ity. Nitaky ihany koa ny TCM amin`ny fanoratana ara-dalana ny tany amin'izy ireo. Nanamafy io fifanarahana io ny filohan'ny TCM raha nitafa tamin'ny Mpanao gazety teto Mahajanga tamin' ny farany herinandro teo. Marihana fa tsy manana kianja filalaovana tennis ankoatra ity ny mpankafy ny taranja ao Mahajanga.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT