Tennis ambony latabatra

Tompondakan'i Afrika i Fabio sy Antoine


  • Alatsinainy 18 Septambra 2023

Namiratra indray ireo mpilalao tennis ambony latabatra omaly tany Tunis -Tonizia nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan'i Afrika

Norombahan'ny Malagasy ny amboara teo amin'ny olon-droa miaraka nahitana an'i Antoine Razafinarivo sy Fabio Rakotoarimanana. Nahazo 2000 dolara moa izy ireo taorian' ny maha tompondaka azy ireo. Tafita amin'ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany any Busan, Korea Atsimo, izy mirahalahy ireto ary mbola mieritreritra ho tafita any amin'ny Lalao Olaimpika any Paris. Milalao any Lille i Fabio Rakotoarimanana ary efa tompondakan'i Frantsa tao amin'ny sokajy zandriny U18. Ny Tonizianina Bourass sy Ben Attia no resin'ireto mpilalao malagasy ireto teo amin'ny famaranana.Efa arahin'ny Frantsay moa i Fabio fa io izy nisafidy hiaro ny voninahitr'i Madagasikara. Vazaha taratasy izany hatreto fa Malagasy ihany koa.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT