Tennis ambony latabatra

Tafita ho any Paris i Fabio Rakotoarimanana


  • Talata 21 Mey 2024

Sambany teo amin'ny tantaran'ny tennis ambony latabatra no nisy mpilalao tafita mivantana any amin'ny

Lalao Olimpika ilay ho tontosaina any Paris. Tody tany amin'ny famaranana ny lalao fiadiana toerana tany Kigali mantsy i Fabio Rakotoarimanana raha nandresy ilay Tonizianina Wassim Essid teo amin'ny manasa-dalana. Seta 4 noho 3 (13/11 ; 8/11; 11/8 ; 9/11 ; 12/10 ; 4/11 ; 11/9) no nibatany ny fandresena. Efa tena mpilalao avo lenta ity Fabio Rakotoarimanana ity satria efa tompondakan'i Frantsa fony izy sokajy Cadet. Tany rahateo izy no niofana fa nandray fotsiny ihany ny federasiona. Efa nanomboka nantsoin'ny federasiona notarihin'i Herley Ambinintsoarivelo izy tamin'ny taona lasa ary efa tompondakan'ny Afrika teo amin'ny olon-droa miaraka izy sy Antoine Razafinarivo.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT