Sport

Tennis - Amboara Davis Efa any Kinshasa ny Malagasy


  • Alarobia 21 Jona 2023

Mba ahavita hiakatra vondrona toy ny nataon'ny vehivavy tamin'ny Amboara Billie Jean King, ve ny lehilahy ?

Vondrona fahadimy mantsy no misy ny Madagasikara lehilahy ary mieritreritra hiakatra ao amin'ny Vondrona faha 4. Izany no fanamby apetrak'i Dina Razafimahatratra izay kapiteny ary tena manantena izy fa tsy ho sarotra amin'ireo tanora entiny izany. Mikasika izay indrindra toy izao ireto mandrafitra ny ekipa malagasy amin'ity Amboara Davis ity. Izany dia ahitana an' Lucas Andriamasilalalao, Fenosoa Rasendra, Roméo Rakotomalala ary Antony Raharivony. Ankoatra ny fiadiana toerana dia manana andraikitra koa i Dina Razafimahatratra hanamboatra dieny izao izay hisolon-tena an'i Madagasikara mandritry ny Lalaon'ny Nosy. Toy izany koa ny vehivavy izay tantan'i Jean Marc Andriamanalina.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT