Sport

Tennis Amboara Billy Jean King Tsara fanombohana ny Malagasy


  • Talata 06 Jona 2023

Mandray anjara amin'ny Amboara Billie Jean King any Lesotho ny mpanao tennis vehivavy.. Ao amin'ny Vondrona faha IV

no misy azy ary azo lazaina fa betsaka ny fanantenana satria nandresy 2 noho 1 ny Cameroun isika Io faharesana iray io aza dia tany amin'ny tie break vao resy i Mitia Voavy nanoloana an'i Karine Marion Job. Lasany ny seta voalohany (6/3) saingy tonga dia novalian'i Mitia tamin'io isa koa ny seta faharoa. I Mialy Ranaivo indray dia nandresy mazava an',i Linda Claire Eloundo Nga tamin'ny seta roa mazava (6/2 ; 6/4). Teo amin'ny olon-droa kosa na nandahatra an'i Karine Marion Job ilay laharana voalohany anatin'ity ekipa ity niaraka tamin'i Venus Miranda Ngome Hagal aza ny Cameroun dia nataon'i Narindra Ranaivo sy Harena Voavindraina nahita faisana. Nitarika tamin'ny isa ka nahazo ny seta voalohany anefa ny Cameroun saingy nalain' ny Malagasy ny seta roa avy (6/3 ; 6/2). Tsara hatreto ny ataon'ny Malagasy sy ny mpanazatra Jean Marc Andriamanalina. Ho hita eo ny tohiny satria hihaona amin'ny Lesotho tompontany isika anio.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT