Sport

Tennis - Amboara Billie Jean King Tafakatra Vondrona III i Madagasikara.Mafy.


  • Alatsinainy 12 Jona 2023

Tena mafy ireo tovovavy efatra niaro ny voninahitr'i Madagasikara nandritry ny fiadiana ny Amboara Billie Jean King.

Tsy resy mihintsy isika nandritry ny fifaninana tany Kigali Rwanda ity. Teo amin'ny famaranana ny sabotsy teo aza dia nijanona tao aorian'ny lalao roa ny famaranana izay nihaonana tamin'ny Tanzania. Resin'i Mialy Ranaivo tamin'ny seta roa (6/3 ; 6/1) i Mao Shena .Mbola nandresy ihany koa Mitia Voavy Andraina nanoloana an'i Esther Mohamed (6/0 ; 6/1). Miakatra ao amin'ny Vondrona III izany Madagasikara amin'ny taom-pilalaovana ho avy izao.
Clément RABARY

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT