Sport

Tenisy Tompondakan’i « AFRIQUE AUSTRALE U14 –U16 » Raharahan’ny samy Malagasy ny famaranana U 14 zazavavy


  • Zoma 11 Janoary 2019

Raharahan’ny mpilalao Malagasy 100% hikatrohan’i Randy Rakotoarilala sy Miotisoa Rasendra ny famaranana eo amin’ny sokajy U 14 zazavavy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i “Afrique Australe” tontosaina ao amin’ny “Central tennis club de Windhoek”any Namibie.

 Fifaninanana nanomboka ny 7 janoary 2019 teo ka hifarana ny 15 janoary izao izy ity. Ilay Afrikanina Tatsimo Carl Roothman kosa no hifanandrina  amin’i Toky Ranaivo Madagasikara eo amin’ny sokajy U 16 zazalahy.

Eo amin’ny famaranana  olon-droa miaraka kosa :

U 16  zatovovavy : Kelly Arends Afrikanina Tatsimo sy Rufaro Magarira Zimbabweana #  Mialy sy Narindra Ranaivo Malagasy

U 14  zazavavy : Maholy Razakaniaina (Madagascar) sy Nicole Matukutire (Zimbabwe) # Carle Botha sy Mikaila Faure (Afrique du Sud)

U 14 zazalahy : Mahefa Rakotomalala sy Finoana Rakotomalala (Madagascar ) # Benedict Badza (Zimbabwe ) sy Leo Matthysen (Afrique du Sud)

Ny vokatra teo amin’ny lalao manasa-dalana dia nahafantarana fa resy avokoa ny mpilalao zatovovavy Malagasy U 16 :
Mialy Ranaivo resin’i Rufaro Magarira 3/6 ; 6/3 ; 6/10
Narindra Ranaivo lavon’i Kelly Arends (Afrique du Sud) 6/7 ; 1/6

Teo amin’ny sokajy U 16 zatovovavy ihany koa dia lavon’i Rohan Loubser et Connor Kruger (Afrique du Sud) 4/6 ; 6/2 ; 6/10 i Toky Ranaivo sy Fenosoa Rasendra


Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT