Sport

Tenisy Tompondakan’i Afrique Australe U 14 sy U 16 Amboara 10 no voandalana azon’ny solontena Malagasy


  • Alakamisy 17 Janoary 2019

Nifarana ny talata 15 janoary teo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika tapany atsimo sokajy U 14 lahy sy vavy sy U 16 lahy sy vavy notontosaina tany Wondhoek any Namibie nanomboka ny 7 janoary 2019 lasa teo.

 

 

 Namiratra tamin’ny ankapobeny ireo solontena Malagasy notarihan’ny Tale teknikan’ny federasiona, Dina Razafimahatratra, nahitana an-dry : Randy Rakotoarilala, Miotisoa Rasendra, Maholy Razakaniaina (U14 zazavavy)  ;  Harena Rafidiarison, Finoana Antenaina Rakotomalala Ma Rakotomalala (U14 zazalahy)  ;  Toky Ranaivo, Fenosoa Rasendra, Sampras Rakotondrainibe (U16 zatovolahy)  ;  Ranaivo Narindra, Mialy Ranaivo, Safidisoa Nomenjanahary (U16 zatovovavy), fa amboara 10 no voandalana hoentin’izy ireo mody aty Madagasikara toy ny :

-Amboaran’ny firenena mendrika indrindra teo amin’ny filaharana ankapobeny an’isa tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika isam-batan’olona

-Amboaran’ny Tompondakan’i Afrika mendrika indrindra U 16 zatovovavy

-Amboaran’ny firenena mendrika indrindra teo amin’ny sokajy U 16 zatovoavavy teo amin’ny tompondakan’i Afrika isam-batan’olona

-Amboaran’ny firenena mendrika indrindra teo amin’n y sokajy U 14 zazavavy teo amin’ny tompondakan’i Afrika isam-batan’olona

-Amboaran’ny firenena laharana faharoa teo amin’ny sokajy U 16 zatovolahy

-Amboaran’ny tompondakan’i Afrique australe isam-batan’olona sokajy U 14 zazavavy

-Amboara maha tompondaka lefitr’i Afrika faritra atsimo isam-batan’olona sokajy U 14 zazavavy

- Amboara maha tompondaka lefitr’i Afrika faritra atsimo teo amin’ny sokajy olon-droa miaraka U 14 zazalahy

- Amboara maha tompondaka lefitr’i Afrika faritra atsimo teo amin’ny sokajy olon-droa miaraka U 14 zazavavy

 

Ntsoavina Evariste

 

.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT