Voatazon’i Zaka kely ny anaramboninahitra, naongan’i Niriantsa i Zarah
Nosembanin’olana tsy nandeha araka ny tokony ho izy ireo famaranan’ny sokajy 1e serie tena nandrasan’ny maro satria efa tany anaty haizina no nanaovana azy. Voahosotra ho tompondaka moa i Zaka kely sy Niriantsa.
Mba novinavinaina hanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro ny an’ny vehivavy kinanjo taraiky ihany. Mbola ny famaranan’ny 2e serie lehilahy no nandeha tamin’ny 3 ora latsaka. Taorian’io dia mbola tapaka indray ny rano noho ny asa fanamboarana ny dobo filomanosan’ny ACSA ka efa tamin’ny 4 ora sy sasany vao nandeha ny 1e serie vehivavy. Mpila ravinahitra 100% moa no niatrika ny famaranan’ny lahy sy vavy. Niady hatramin’ny farany ny an’ny andriambavilanitra nifanandrinan-Rasolomalala Niriantsa sy Razafimahatratra Zarah. Nitarika am-boalohany i Zarah ary azony mora foana ny seta voalohany (6/1). Nanomboka niharina i Niriantsa tamin’ny seta faharoa ka nandresy 6/4. Vao mainka ady be ny seta fahatelo farany izay mbola sahala 3-3 fa taorian’io dia tafatsoaka i Zarah ary nitarika 5-3. Efa saika najanona teo ny lalao satria noho ny haizina nanomboka nirotsaka. Nanipika anefa ny federasiona fa tsy maintsy vitaina ny lalao. Tsy ela dia voasahalan’i Niriantsa 5-5 ny lalao. Hita nanomboka teo fa nikorontan-tsaina i Zarah ary somary naneho hatezerana nisafaoka nanipy raketa aza indraindray. Tafavoaka nandresy 7/5 moa i Niriantsa. Nalain’i Niriantsa teo am-pelatanan’i Zarah izany ny anaramboninahitra. Efa tamin’ny 6 ora mahery moa vao vita io famaranana io. Tokony ho nisy fiarahana naka sary fahatsiarovana aza taorian’io famaranana io fa lasa niala tsy nety naka izany i Zarah. Tsy afaka niandry fanolorana amboara koa tetsy an-kilany i Niriantsa satria nanainga ny sabotsy alina io ihany hihazo an’i Etazonia.
Voatery tsy fidiny…
Taorian’ny famaranan’ny vehivavy dia mbola adihevitra be na hatao na tsia ny an’ny lehilahy nifanandrinan-dRakotohasy Jean Jacques boaikely manohitra sy Rajaobelina Rija kapitenin’ny ekipa nasionaly satria efa tena tsy ampy mihitsy ny fahitan’izy ireo na dia nasiana jiro aza. Niezaka nandresy lahatra azy ireo ny federasiona sy ny ekipany mba hanaovana ny lalao. Nambaran’ny filohan’ny federasiona, Rajaobelina Tsialiva fa tokony hatao ny famaranana na tsy feno tanteraka aza ny fepetra satria efa vory teo ireo mpijery maro sy mpanohana ary tsy ho azo intsony ny kianja ny alahady. Efa natao ny andrana folo minitra mahery nitsapana ny fahitan’ireo mpilalao fa mbola nanamafy i Rija fa tena tsy afaka mahavita ny lalao tokony hataony izy ireo fa kosa rehefa ny fahafinaretan’ireo mpijery sy mpanohana no takiana dia atao ny famaranana na tsy tamin’ny nahim-pony aza. Efa tamin’ny 7 ora sy sasany vao nanomboka io famaranana io ary tsy ela dia nivoaka nandresy i Zaka kely tamin’ny seta 6/1, 6/4. Voatazon’i Jean Jacques izany ny anaramboninahitra efa teo am-pelatanany. Mikasika ireo vokatra hafa, taorian’ny efa nahazoany ny sokajy U18 zazalahy dia mbola norombahan-dRakotondramboa Miary Zo ny 2e serie ka lavony tamin’ny famaranana i Vahia (6/3,6/3). Nahazo ny vehivavy i Manuella nanoloana an’i Fitia (6/4, 4/6, 6/2). Famaranana tamina sokajy maro moa natao ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny ACSA niarahan’ny federasiona nikarakara tamin’ny DHL mpanohana azy.
Rasanda Serge
Ireo vokatra :
Lahy :
1e série : Jean Jacques>Rija (6/1,6/3)
2e série : Miary Zo>Vahia (6/3,6/3)
3e série : Lala Fabien>Jean Claude (3/6,6/3,6/4)
4e série : Louis>Dina (7/5,6/2)
Olon-droa Gr1 : Jean Jacques-Hasina>Harivony-Ando (6/3,6/2)
Olon-droa Gr2 : Vahia-Rado>Jimmy-Lala (6/3,4/6,10/6)
Vavy :
1e série : Niriantsa>Zarah (1/6, 6/4, 7/5)
2e série : Manuella>Fitia (6/4,4/6,6/2)
3e série : Narindra>Mialy (6/4,4/6,6/2)
4e série : Sariaka>Tsiky Sarobidy (6/2,6/1)
Olondroa Gr1 : Zarah-Niriantsa>Jacquinah-Solange (6/1,6/2)
Olondroa Gr2 : Fitia-Manuella>Lily-Hasina (6/1,6/4)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.