Sport

Tenisy – Roland-Garros Nihintsana teo amin’ny fihodinana faha-2 i Tessah


  • Zoma 22 Mey 2015

Mpilalao mametraka ny maha izy azy amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Andrianjafitrimo Tessah izay sambany niatrika ny Roland Garros, fifaninanana goavambe amin’ny tenisy. Nahita fahombiazana avy hatrany izy tamin’ny lalao voalohany nataony.

 

Tafavoaka nandresy mantsy i Tessah izay tompondakan’i Frantsa U16 taona 2014 nanoloana ilay aotrisianina Patricia Mayr-Achleitner (6/2, 6/4). Tao anatin’ny ora iray sy 12 minitra no nandavoany io mpifanandrina taminy io. Lavon’ilay aostralianina Olivia Rogowska (3-6, 6-3, 6-4) izy tamin’ny dingana faharoa omaly, lalao izay naharitra ora 2 sy 7 minitra. Marihina fa fanasana manokana no nahafahany niatrika ity fifaninanana goavana ity.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT