Sport

Tenisy - Rafael Nadal In-12 nandrombaka ny amboara tao Roland Garros


  • Talata 11 Jona 2019

Fanindroambiafolony izao no nandrombahan’ilay mpilalao tenisy Espaniola Rafael Nadal ny fifaninanana Roland Garros ao Paris.Tena mafy i Rafa, izay no ambentin-tenin’ny rehetra nanaraka ny lalao ny alahady lasa teo.

 

 

Tsy nahatohitra azy ilay Aotrisianina Dominic Thiem na dia efa niezaka mafy aza. Mazava ny tarehimarika ( 6-3, 7-5, 6-1,6-1). 33 taona i Rafael Nadal amin’izao fotoana ary ilay Soisa anisan’ny sangany amin’ny tenisy eto ambonin’ny tany Roger Federer no resiny tany amin’ny manasa-dalana. Nampiseho ny heriny sy ny fahaizany i Rafa ka izao nandrombaka fandresena miezinezina izao sy nametraka ny anarany amin’ny tantaran’ny tenisy na dia sarotra ihany aza ny nanombohany ity taom-pilalaovana ity satria naratra tao amin’ny lohalika izy tamin’ny volana martsa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT