Sport

Tenisy – Premium Challenge Lasan’Andrianorosoa Bakoly ny tapakila mankany Frantsa


  • Talata 19 Mey 2015

Ny ekipa misy an-dRakotobe Nantenaina (MEN) sy Rampanarivo Aro, tompona kabinetra mpitsabo nify no nandrombaka ny fandresena tamin’ny sokajy olon-droa lehilahy rehefa nandavo an-dRasamimanana Tiana sy Rasaminanana Thomas (Festissimo).

 Nisalotra ny fandresena ho an’ny olon-droa vehivavy Randriamifidimanana Fitia (COM & Co) sy Rampanarivo Murielle (ESS Agro). Resin’izy ireo tamin’ny famaranana i Lalaina Norotsomanjaka (Fikajiana materialy medikaly) sy Rakotondrainibe Hanitra (Sogroma). Norombahan-dRakotondrainibe Stefane sy Sampras (Sogroma) kosa ny sokajin’ireo mpianaka rehefa nandresy an-dRakotobe Gilles sy Rakotobe Hasina (Tigone) tamin’ny famaranana. Tsara vintana tamin’ny antsapaka ary nahazo ny tapakilan’ny fiaramanidina mankany Frantsa avy amin’ny Air France kosa Andrianorosoa Bakoly. Lalao 110 moa no natao teny am Country Club Ilafy tamin’ity andiany fah-5 amin’ny Premium Challenge ity izay fifaninanana an’olon-droa natokana ho an’ireo tomponandraikitra mpitantana orinasa. Nahatratra 67 kosa ireo orinasa nanana solontena.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT