Sport

Tenisy – Open Gasyla Gasyva Hiaka-tsehatra indray ireo katitakely


  • Zoma 07 Mey 2010


Ny 15 mey izao indray, eny amin’ny kianjan’ny ASUT Ankatso, no hanatontosana ny andiany manaraka amin’ilay fifaninanana amin’ny taranja tenisy ho an’ireo katitakely «Open Gasyla Gasyva» izay iarahan’ny seksion’Antananarivo renivohitra sy ny klioban’ny ASUT mikarakara. Tsiahivina fa sokajy telo no afaka miatrika ity fifaninanana ity dia ny lutin (6-7 taona), ny pépinière (8 taona) ary ny poussin (9 taona). Marihina fa mifangaro miara-mifaninana ny zazalahy sy zazavavy amin’ity «Open Gasyla Gasyva» ity. Ny tapakandro maraina hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany ny dingan’ny fifanintsanana ary ny tolakandro kosa ireo dingan’ny famaranana. Efa nisokatra ny 27 aprily teo ny fisoratana amin’ity andiany ho an’ny volana mey ity, satria atao isam-bolana moa ity fifaninanana ity, ary tsy hifarana izany raha tsy ny 12 mey. Ny tolakandron’io farafisoratana anarana io, amin’ny 4 ora, no hanatanterahana ny antsapaka handrafetana ny fandaharan-dalaon’ny fifanintsanana. Hitohy hatrany, toy ny efa natao tamin’ny andiany farany tamin’ny volana aprily teo, ny fanomezana ody ambavafo ireo mpilalao mpandray anjara rehetra izay hiantohan’ny mpikarakara. Tanjona amin’ity fifaninanana ho an’ireo katitakely ity moa ny fampidirana tsikelikely ireo sokajy zandriny hiroso amin’ny tena fifaninanana ofisialy mba ho taninketsa handimby ireo zoky atsy aoriana kely.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT