Sport

Tenisy – Open de Toamasina Ireo sangany tafavoaka eny Ankorondrano no handeha


  • Alakamisy 08 Oktobra 2015

Hikarakara fifaninanana ivelan’Antananarivo ny federasiona malagasin’ny tenisy ho fanapariahana ny taranja sy hampitomboana isa ireo fifaninanana misy eto amintsika. Ho tanterahina any Toamasina ny 16, 17, 18 oktobra izao ao amin’ny Club Nautique ny “Open de Tamatave”.

 Mialoha an’io anefa dia mbola hisy ny fifanintsanana fifantenana ireo tena mendrika izay hotontosaina ny 10-11 oktobra izao eny amin’ny Max Sport Club Ankorondrano. Ireo mpilalao vehivavy 16 mendrika avy eto Analamanga tafavoaka eo no hihazo an’i Toamasina niatrika ny Open. Hanampy ireo dia mbola hisy mpilalao 8 avy ao Toamasina. Noferana ho mpilalao 32 kosa no hifaninana ho an’ny lehilahy. Marihina fa ny federasiona no hiantoka ny fitaterana sy fiantranoan’ireo mpilalao ho any Toamasina. Hikatona amin’ny zoma 9 oktobra izao moa ny fisoratana anarana.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT