Sport

Tenisy – Lalaon’ny Nosy Mpila ravinahitra 6 sy mpilalao roa avy eto an-toerana no hiady any la Réunion


  • Alakamisy 30 Jolay 2015

Efa mazava fa mpilalao mpila ravinahitra enina sy roa avy eto an-toerana no handrafitra ny ekipa Malagasy amin’ny taranja tenisy hiatrika ny Lalaon’ny Nosy any La Réunion.



Telo ireo mpila ravinahitra lehilahy dia Rakotondramanga Antso izay tafiditra Top 100 any Frantsa, Rasolondrazana Jacob, Rakotohasy Jean Jacques izay hiampy an-dRatsifandrihamanana Mamy Ialy avy eto an-toerana. Telo ihany koa ireo mpila  ravinahitra vehivavy dia Razafimahatratra Razah, Andriamiarosoa Sandra, Rasolomalala Niriantsa ary hiampy an-dRakotohasy Jacquinah.
“Samy efa tsara fanomanana ireo mpilalao ireo satria ny lehilahy vao avy vita sedra tamin’ny Coupe Davis ary ny vehivavy avy niatrika ilay fifaninanana iraisam-pirenena 1000 dolara teto amintsika vao tsy ela izay” araka ny fanazavan’ny tale teknika nasionaly, Razafimahatratra Dina Tahiry.
“Tsy nisy loatra kosa ny masontsivana nifantenana ireo mpilalao satria efa mazava fa ireo milalao any ivelany no manana fifaninanana betsaka sady voaporofo mahazo vokatra tsara amin’ny fifaninanana iraisampirenena ataony”, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ara-teknika voalohany ao amin’ny federasiona ity. Saika mpila ravinahitra manontolo moa no nandrafitra ny ekipa nasionaly saingy misy roa tsy afaka fa tojo ratra dia Raharimalalavololona­ Nantenaina sy Randrianasoloson Randy.


Ahombiazantsika…
Tsy mbola voafaritra mazava ny hiazoan’ireo mpilalao an’i La Réunion. Ny efa azo antoka dia hamonjy mivantana an’i La Reunion i Antso sy Sandra. Mikasika ireo mpilalaon’ny nosy rahavavy dia “tsy atahorana i Seisela satria na tany aminy aza tamin’ny 2011 dia tsy nasiany tenisy akory noho izy tsy manana haavo lenta loatra. Ny Maorisianina medaly alimo no azony tamin’ny alalan’i Camil Patel tamin’ny 2007. Ny renioney mpampiantrano no naka mpilaravinahitra maro ka asa raha hahavita noho tamin’ny 2007 izy ireo araka ny fanamarihan’i Dina. Tsiahivina fa nanjakantsika Malagasy tanteraka ny Lalaon’ny Nosy 2007 teto Madagasikara izay nandrombahantsika ireo medaly volamena tamin’ny fifaninanana enina natao.


Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT