Tenisy – ITF CAT U12

U14 Tafita hanao ampahefa-dalana i Sampras


  • Alakamisy 12 Mey 2016

Mitohy ny fiatrehan-dRakotondrainibe Sampras solontena malagasy tokana miatrika ny fifaninanana afrikanina “ITF-CAT Junior” sokajy U12 sy U14 izay atao any Bulawayo Zimbaboe.

 Efa miditra amin’ny fifaninanana fahatelo izao izy io ary tsiahivina fa raraka teo amin’ny manasa-dalana hatrany i Sampras tamin’ireo fifaninanana roa voalohany. Tsara fanombohana indray ny tovolahy kely ny talata teo satria tafavoaka nandresy tamin’ny ampahavalon-dalana tamin’ny fifaninanana an’olon-tokana sokajy U12 zazalahy, nandresy mora foana an’ilay zimbaboeanina Matiza Anotida (6/1, 6/1). Tafita hiatrika ny ampahefa-dalana izany i Sampras ka anio no hanaovana io lalao io ary ilay botsoaney, Lesedi Raguin izay iray tarika aminy amin’ny fifaninanaa an’olon-droa no hifandona aminy amin’io. Nahita fahombiazana ihany i Samprasa tamin’ny fifaninanana an’olon-droa U12 zazalahy, satria nandresy ny ekipa namibianina norafetin’i Swatz Johanes sy Barnard Joshua izy sy ilay botsoaney Lesedi tamin’ny ampahefa-dalana (4/6, 2/6) ary tafita hanao manasa-dalana.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT