Sport

Tenisy – Grand National Top16 Hifanindran-dalana amin’ny « Ladies Tournament »


  • Alakamisy 04 Jona 2015

Noho ny fangatahan’ny mpilalao maro eto an-toerana sy ny fialana an-daharana mpilalao maro tokony hiatrika ny fifanintsanan’ny « Ladies Tournament 10 000 dollars »

 

 hatao eny amin’ny Country Club Ilafy dia nanapa-kevitra ny mpikarakara fa hasiana fifaninanana ho an’ny sokajy lehilahy antsoina hoe « Grand national Top16 » izay hanomboka ny alatsinainy 8 jona ary hifanindran-dalana amin’io fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy io. Ireo mpilalao 16 malagasy sangany no handray anjara amin’izy io ahitana an-dry Ratsifandrihamanana Mamy Ialy, Rasolomalala Ando, Andrianafetra Harivony sy ireo maro hafa. Fa noho ny fahavitsian’ny mpandray anjara amin’ilay fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy dia efa hiditra amin’ny dingan’ny famaranana avy hatrany izy io ny alatsinainy izao.

Rasanda Serge

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT