Sport

Tenisy – Grand National Top16 Hifanindran-dalana amin’ny « Ladies Tournament »


  • Alakamisy 04 Jona 2015

Noho ny fangatahan’ny mpilalao maro eto an-toerana sy ny fialana an-daharana mpilalao maro tokony hiatrika ny fifanintsanan’ny « Ladies Tournament 10 000 dollars » hatao eny amin’ny

Country Club Ilafy dia nanapa-kevitra ny mpikarakara fa hasiana fifaninanana ho an’ny sokajy lehilahy antsoina hoe « Grand national Top16 » izay hanomboka ny alatsinainy 8 jona ary hifanindran-dalana amin’io fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy io. Ireo mpilalao 16 malagasy sangany no handray anjara amin’izy io ahitana an-dry Ratsifandrihamanana Mamy Ialy, Rasolomalala Ando, Andrianafetra Harivony sy ireo maro hafa. Fa noho ny fahavitsian’ny mpandray anjara amin’ilay fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy dia efa hiditra amin’ny dingan’ny famaranana avy hatrany izy io ny alatsinainy izao.

Rasanda Serge

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Lamba
  • Zoma 27 Novambra 2026

maloton'ny FMF

  • Tsipy
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

kanetibe

  • Taranja
  • Alarobia 25 Novambra 2026

Tsipy Kanetibe

  • Coupe du
  • Talata 24 Novambra 2026

monde de pétanque

  • Rayan Raveloson
  • Talata 24 Novambra 2026

Nangidy ny herinandro

  • FilazĂ na fa
  • Zoma 20 Novambra 2026

mandeha ny fitantanana ny kitra malagasy

Hijery ny tohiny
FTT