Sport

Tenisy - Gasyla Gasyva Hatsaraina ny andiany fahatelo


  • Alarobia 10 Martsa 2010

Hiditra amin’ny andiany fahatelo sahady ny 27 martsa izao eny Ankatso ilay fifaninanana GasyLa GasyVa izay natokana ho an’ireo katitakely latsaky ny 10 taona.

Sokajy telo no hifaninanana amin’izany dia ny lutin (6-7 taona) sy ny pépinière (8 taona) ary ny poussin taona voalohany (9 taona) zazalahy sy zazavavy mifangaro. Efa nisokatra ny 3 martsa teo ny fisoratana anarana izay tsy hikatona raha tsy ny 24 martsa amin’ny 4 ora tolakandro, fotoana hanaovana ny antsapaka handaharana ireo mpifanandrina isam-bondrona sy isan-tsokajiny. Hampiavaka ity andiany fahatelo ity ny fiantohan’ny mpikarakara ny ody ambavafo (goûter) ho an’ireo mpifaninana rehetra mandray anjara. Loka sy medaly moa no hatolotra ireo tompondaka isan-tsokajiny. Tanjon’ny mpikarakara amin’ity fifaninanana ity kosa ny fisarihana sy fitiliana ny ankizy ho tia ny taranja sy hanao fifaninanana ofisialy tsikelikely.

Ny fomba fanisana ny lalao moa dia izay mahazo isa 10 voalohany no mahazo ny fandresena.
Omena isa telo hatrany izay mandresy, isa tokana ho an’ireo resy ary tsy mahazo isa izay miala an-daharana na tsy milalao.
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT