Sport

Tenisy – Antananarivo Renivohitra Tompondaka i Mamy Ialy sy Jacquinah


  • Talata 12 Mey 2015

Nanjakan’ireo mpilalaon’ny Asut Ankatso ny fiadiana ny tompondakan’ny seksion’Antananarivo Renivohitra. Tontosa teny Ankatso ny sabotsy sy alahady teo avokoa ireo lalao famaranana isan-tsokajiny U8 hatramin’ny ‘vétéran”.

 

Anaramboninahitra 11 no norombahan’ny klioba mpampiantrano. Anisan’ny klioba nisongadina koa anefa ny Atema izay nisalotra anaramboninahitra enina. Adin’ny samy Asut ny famaranan’ny 1e série lehilahy ka i Mamy Ialy no tafavoaka nandresy nanoloana an’i Rado (6/2, 6/2). I Jacquinah avy amin’ny CSMB kosa no tompondakan’ny vehivavy rehefa nampiondrika an’i Murielle (Asut) 6/4, 6/3 tamin’ny famaranana. Tompodakan’ny 2e serie lehilahy i Hasina (CSMB) izay nandavo an’i Vahia (Asut) 4/6, 6/3, 6/4 ary lasan’i Fitia (Atema) ny vehivavy rehefa nandresy an’i Miora (Asut) tamin’ny famaranana. Vokatra tamin’ny 3e serie, tompondaka i Tsiry (Asut) ho an’ny lehilahy ary Yaelle (Asut) ny vehivavy. Lasan’i Marcel (Asut) kosa ny sokajy U18 zazalahy ary Rosea (Atema) ny zazavavy. Teo amin’ireo efa zokinjokiny, tompondakan’ny “vétéran” 1e serie lehilahy i Harivony (Atema) izay nanilika an’i Tsialiva (Asut) filohan’ny federasiona malagasy 6/2, 6/2 tamin’ny famaranana ary norombahan’i Sydonie (MSC) rehefa nanilika an’i Charline (STC) 6/2, 6/1 tamin’ny famaranana. Ny fifaninanana an’olon-droa sy isan-tarika indray no hokarakarain’ny seksion’Antananarivo Renivohitra any aorian’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT