Sport

Tenisy – Antananarivo Renivohitra Tompondaka i Mamy Ialy sy Jacquinah


  • Alatsinainy 11 Mey 2015

Nanjakan’ireo mpilalaon’ny Asut Ankatso ny fiadiana ny tompondakan’ny seksion’Antananarivo Renivohitra. Tontosa teny Ankatso ny sabotsy sy alahady teo avokoa ireo lalao famaranana isan-tsokajiny U8 hatramin’ny ‘vétéran”

 

. Anaramboninahitra 11 no norombahan’ny klioba mpampiantrano. Anisan’ny klioba nisongadina koa anefa ny Atema izay nisalotra anaramboninahitra enina. Adin’ny samy Asut ny famaranan’ny 1e série lehilahy ka i Mamy Ialy no tafavoaka nandresy nanoloana an’i Rado (6/2, 6/2). I Jacquinah avy amin’ny CSMB kosa no tompondakan’ny vehivavy rehefa nampiondrika an’i Murielle (Asut) 6/4, 6/3 tamin’ny famaranana. Tompodakan’ny 2e serie lehilahy i Hasina (CSMB) izay nandavo an’i Vahia (Asut) 4/6, 6/3, 6/4 ary lasan’i Fitia (Atema) ny vehivavy rehefa nandresy an’i Miora (Asut) tamin’ny famaranana. Vokatra tamin’ny 3e serie, tompondaka i Tsiry (Asut) ho an’ny lehilahy ary Yaelle (Asut) ny vehivavy. Lasan’i Marcel (Asut) kosa ny sokajy U18 zazalahy ary Rosea (Atema) ny zazavavy. Teo amin’ireo efa zokinjokiny, tompondakan’ny “vétéran” 1e serie lehilahy i Harivony (Atema) izay nanilika an’i Tsialiva (Asut) filohan’ny federasiona malagasy 6/2, 6/2 tamin’ny famaranana ary norombahan’i Sydonie (MSC) rehefa nanilika an’i Charline (STC) 6/2, 6/1 tamin’ny famaranana. Ny fifaninanana an’olon-droa sy isan-tarika indray no hokarakarain’ny seksion’Antananarivo Renivohitra any aorian’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara.

Rasanda Serge

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT