Raikitra nanomboka omaly etsy amin’ny efitrano kelin’ny lapan’ny fanatanjahantena ary hifarana ny alarobia izao ny fampivondronana ireo mpilalao enina mianadahy manoman-tena hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny isan-tarika hatao any Moscou ny 23 ka hatramin’ny 30 mey izao. Telo lahy sy telo vavy moa ireo mandrafitra ny ekipam-pirenena ka ao amin’ny sokajy junior ny roa amin’ireo. Lohalisitra ao amin’ny sokajy lehilahy Rakotoarison Tahiriniaina, tompon’andraikitra ara-teknikan’ny ligin’Analamanga, arahin-dRazakamalanto Ndimbiniaina (Jovenna) miampy an-dRazafindralambo Zonandrianina ao amin’ny sokajy junior. Ireo andriambavilanitra kosa ahitana an-dRatsimbazafy Tiana (Jovenna) izay tompon’ny anaram-boninahitra farany tompondakan’i Madagasikara sy Rajaonah Rondro (Jovenna) miampy ilay laharana voalohany amin’ny junior, i Anjatiana avy amin’ny klioban’Anjeva. Marihina fa fifaninanana sivana roa no nifantenan’ny tompon’andraikitra ara-teknikan’ny federasiona ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena ireo. Efa eny am-pelatanan’ny minisiteran’ny fanatanjahantena moa ny antontan-taratasy rehetra mikasika ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny tenisy ambony latabatra amin’ity taom-pilalaovana 2010 ity indrindra ny mikasika ity fandraisana anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ity ka heverina fa ho lasa soa aman-tsara ny delegasiona malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.