Sport

Tenisy ambony latabatra – Lalaon’ny Nosy Tsy anisan’ireo mpilalao folo ho any la Reunion i Nativel


  • Alakamisy 18 Jona 2015

Efa niditra amin’ny fampivondronana fahatelo farany amin’ny fanomanana ny Lalaon’ny Nosy ny taranja tenisy ambony latabatra nanomboka ny alatsinainy teo.

 


Tsy hijanona intsony izao fampivondronana izao fa hitohy  hatramin’ny fotoana hiaingana hiazo an’i La Reunion izany. Mpilalao folo izay dimy lahy sy dimy vavy no manaraka ny fampivondronana isan’andro etsy amin’ny efitrano kelin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina eo ambany fiahian’ny mpanazatra nasionaly, Razakarisoa Patrick Yves.
Marihina fa mpilalao avy eto an-toerana avokoa ireo mpilalao ireo. Mandrafitra ny ekipa lehilahy i Erick, Lino, Dadane, Sitraka, Rado Marcel ary ny ekipa vehivavy kosa ahitana an’i Tiana, Harena, Santatra, Bakoly ary i Andy. Hiompana amin’ny teknika sy taktika ary ny fanohizana ny fanamafisana ara-batana iray volana mahery faran’ny fanomanantena araka ny nambaran’ny mpanazatra nasionaly. Hifandimbiasana amin’ny  badminton sy ny baskety ny fotodrafitrasa hanaovana fampivondronana ka somary mikorontana kely ny fandaharam-potoana. Tsiahivina fa medaly volamena tokana no azontsika malagasy tany Seisela tamin’ny alalan’ilay mpilaravinahitra avy any Frantsa, Jonathan Nativel tamin’ny 2011. Isan’ireo nantsoina ihany ny lehilahy tamin’ity indray mitoraka ity hanatevina ny ekipa malagay saingy namaly tamin’ny fotoana farany fa tsy afaka ho avy noho ny antony arak’asa.

Rasanda Serge

Fanazaran-tena tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT