Sport

Tenisy ambony latabatra Lah-1 nasionaly sokajy 1A i Lino sy Tiana


  • Alatsinainy 23 Mey 2016

Nikarakara “Criterium national” teny amin’ny lapan’ny fanatanajahantena Mahamasina ny federasiona malagasin’ny tenisy ambony latabatra nentina nanavaozana ny filaharana nasionaly isan-tsokajiny.

Fifaninanana an’olon-tokana izy io ho an’ireo mpilalao ao amin’ny 1e serie ka nahatratra 43 ny lehilahy ary 22 ny vehivavy nandray anjara. Ligy 5 no nanana solontena dia Analamanga, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Vakinankaratra ary Matsiatra Ambony fa Amoron’i Mania irery no tsy nahatonga mpilalao. Ireo mpilalao 16 voalohany dia nokilasiana tao amin’ny sokajy 1A, ireo 16 manaraka ao amin’ny 1B ary ireo ambiny 2e serie. Lah-1 tamin’ny lehilahy Razafindralambo Zo Nandrianina “Lino” avy amin’ny Jovenna izay nandresy an’Andrianantoandro Sitraka (Galaxy) 3-0 tamin’ny famaranana. Lah-3 i Andriantsarafara Gerald Jovenna izay tsy manaiky mihitsy na dia efa veteran aza. Mpilalao mpirahalahy avy any Antsirabe no lah-4 sy fah-5 dia Rasolomanana Rija Lalaina efa tompondakan’i Madagasikara 2014 sy Rado Marcel. Tsy misy mahozongozona mihitsy kosa fa mbola lah-1 vehivavy hatrany Ratsimbazafy Tiana (Jovenna) izay nandresy an’i Vololonjatovo Mary Lea (Aro) 3-0 tamin’ny famaranana. Lah-3 Rajaonah Rondro (Jovenna), lah-4 Raherinjatovo Santatra (Gecko Sport Moramanga) ary lah-5 Ralaivao Fanantenana (Asa). Ankoatra ny lalaon’ny CJSOI dia anisan’ny fifaninanana iraisam-pirenena banjinin’ny federasiona amin’ity taom-pilalaovana ity ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika “senior” hatao any Agadir Maraoka amin’ny volana novambra ary handefa mpilalao 3 lahy sy 3 vavy i Madagasikara amin’io.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT