Sport

Tenisy ambony latabatra – Analamanga Voahosotra ho tompondaka indray i Erick sy Tiana


  • Talata 29 Septambra 2015

Ny teo ihany no teo ! Vita ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny fiadiana ny tompondakan’Analaman­ga amin’ny tenisy ambony latabatra.

 



Nanana solontena tamin’io ny seksion’Antananarivo­ Renivohitra sy Atsimondrano ary Avaradrano. Voahosotra ho tompondakan’ny 1e serie lehilahy i Erick (Airtel) izay nandavo an’i Sitraka (Galaxy Young) tamin’ny famaranana. Mbola voatazon’i Tiana (Jovenna) hatrany koa ny anaramboninahitry ny vehivavy ka resiny tamin’ny famaranana i Rondro (Jovenna). Tompondakan’ny 2e serie lehilahy i Mahefa (Asut) ary i Andy (Asa) no nahazo ny 3e serie. Nandrombaka ny 2e serie vehivavy kosa i Sandy (Jovenna). Nanjakan’ny klioba Jovenna tamin’ny ankapobeny ity fifaninanana ity satria lasan’izy ireo avokoa ny fifaninanana isan-tarika lahy sy vavy, lasan’izy ireo koa ny veteran 1 sy 2 tamin’ny alalan’i Gerald sy Njiva. Hatrany amin’ny fifaninanan’ny sokajy zandriny dia mbola nahazo anaramboninahitra roa koa io klioba io.


Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT