Sport

Telma Super Coupe lalao mandroso Nirava ady sahala 0-0 ny Fosa Juniors sy CNaPS Sport


  • Alatsinainy 15 Janoary 2018

Ady sahala 0-0 omaly alahady 14 janoary, tany amin’ny kianja Rabemanjara Mahajanga, no nisarahan’ny Fosa Juniors tompon’ny amboaran’i Madagasikara 2017 sy ny CNaPS Sport tompondakan’i Madagasikara 2017 niatrika ny Telma Super Coupe de Madagascar 2017 lalao mandroso.

 

 Azo ambara fa efa mifankahafantatra fomba filalalao tsara ireto ekipa ireto ka somary nitandritandrina be ihany teo amin’ny fandrindrana lalao tamin’ny ankapobeny. Eny amin’ny kianjan’ny CNaPS eny Vontovorona amin’ny sabotsy 20 janoary ho avy izao no hanatanterahana ny lalao miverina amin’ity fifaninanana ity. Marihana fa tafiditra eo amin’ny fanomanan-tenan’ireto ekipa Malagasy 2 hisolontena an’i Madagasikara amin’ny lalao afrikana hatrehany amin’ity taona 2018 ity ireo fihaonana ireo. Marihana ny ny CNaPS Sport dia ny ekipa Ougandais Kcca no hifanandrina aminy ary ny Fosa Juniors kosa dia ny ny Kenyanina Afc Leopards no hihaona aminy. Amin’ny volana febroary 2018 ny lalao mandroso amin’ireo.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT