Lasan’ny CNaPS Sport avy any Itasy ny amboara Telma Super Coupe de Madagascar 2017 eo amin’ny taranja baolina kitra. Resin’izy ireo tamin’ny 1-0 ny sabotsy 20 janoary 2018 teo,
ny Fosa Juniors avy any Boeny teny amin’ny kianjany teny Vontovorona tamin’ny lalao miverin’ny fifaninanana. Baolina matin’i Lucien lahalarana faha-27 teo amin’ny minitra faha-35 no niantoka ny fandresen’ny CNaPS Sport. Nifandanja tsara ny kitikitika nataon’ny roa tonta nandritra ny antsasakadiny taorian’ny niantombohan’ny lalao. Nandeha an’ila koa taorian’io minitra faha-35 io satria nanomboka nanamafy ny fiarovan-tenany ny mpilalaon’ny CNaPS Sport nanomboka teo, indrindra nandritra ny fizaram-potoana faharoa. Nanao fanafihana totoafo ny Fosa Juniors nandritra ity fidirana faharoa ity nefa tsy nahitam-bokany hatramin’ny faran’ny lalao na dia efa nilalao 10 nanomboka teo amin’ny minitra faha-64 nilalaovana aza ny CNaPS Sport noho ny karatra mena azon’i Tojakely irakirany.Voahosotra ho mpilalao mendrik’ity lalao miverina ity na « Homme du match » i Haja Mirija Fortunat Rasoanaivoarison mpilalaon’ny CNaPS Sport ary voahosotra ho mpiandry harato mendrika indrindra kosa i Fanomezantsoa Andriamalala Andoniaina mpiandry haraton’ny CNaPS SPORT ihany izay samy notoloran’ny Telma fanomezana sahaza azy avy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.