Sport

«Telma Super Coupe 2017 » eny Vontovorona Hahazo fanomezana ireo mpijery 1.000 tonga voalohany


  • Zoma 19 Janoary 2018

Hangotraka ny eny amin’ny kianjan’ny Complexe Culturel et de Loisirs CNaPS Vontovorona hanatanterahana ny lalao miverin’ny “Telma Super Coupe de Madagascar 2017” rahampitso sabotsy 20 janoary.

 

Hifananadrina amin’izany ny Cnaps Sport Itasy tompondakan’i Madagasikara taona  2017 mpampiantrano sy ny Fosa Juniors Boeny tompon’ny amboaran’i Madagasikara 2017. Hanomboka amin’ny 2ora30 tolakandro ny fihaonana. Mialoha ny fifaninanana dia mbola hisy fampisehoana lehibe hahitana an-dRak Root’s sy Nina’s ary i Firmin sy “invite surprise” manomboka amin’ny 10 ora maraina. Hivoha amin’ny 8 ora ny vavahady. Izay mpijery baolina 1.000 tonga voalohany dia hotoloran’ny Cnaps Sport fanomezana manokana. Nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ity klioba ity fa efa milamina tsara ny fitaterana izay hiainga eo am-pitan’ny hopitaly Hjra Ampefiloha. 1.000 ariary ny saran-dalana mandroso ary tahaka izay koa ny miverina. Mba ho fitsinjovana manokana an’ireo mpitia baolina Malagasy dia nanamarika ny mpitantana ny Cnaps fa natao ho takatry ny rehetra ny vidim-pidirana ka 3000 ariary eny amin’ny “Gradin” ary 10.000 ariary eny amin’ny “Tribune”.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT