Sport

Telma semi-marathon andiany fahatelo Hifantenana ireo hanao Lalaon’ny nosy


  • Alakamisy 16 Martsa 2023

Ho tontosaina ny alahady 26 martsa izao ny tompondakan’I Madagasikara eo amin’ny taranja hazakazaka na “Telma semi-marathon” andiany fahatelo.

Araka ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny fikarakarana tetsy Andraharo omaly dia hiainga eo amin’ny kianjan’Alarobia, izany hoe ho tontosaina eto Antananarivo, ity andiany ity fa handalo eny Ambohimangakely eny ihany koa. Io fotoana io ihany koa no hifantenana ireo ho solontena malagasy mandritry ny lalao iraisampirenena na ny Lalaon’ny nosy ho an’ireo nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina izay ho atao eto amintsika ihany moa. Toy izao kosa ireo sokajina fifaninanana ho hita. Ho an’ny sokajy zandriny na “junior” 18 hatramin’ny 19 taona, ny zokiny na “senior” 20 taona no mihoatra, lehibe na “veterans” 35 taona. 300 isa kosa ireo atleta andrasana handray anjara ary amin’ny maha fiadiana ny tompondakan’I Madagasikara azy dia atleta manana ny mari-pahaizana sahaza na “licence” daholo anefa no mahazo mandray anjara. Ankoatra ireo dia hisy koa ny fifaninanana natokana ho an’ny ankizy na “Kids athletics” ka ankizy 8 hatramin’ny 10 taona avy amin’ireo sekoly manana toeram-panomanana matotra no raisina noho ny fahateren’ny fotoana, hoy hatrany ny mpikarakara.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT