Sport

Telma Coupe de Madagascar Hanao famaranana ny Fosa Juniors sy ny Cnaps Sport


  • Alatsinainy 20 Mey 2019

Ny ekipan’ny Fosa Juniors Boeny sy ny Cnaps Sport Itasy no tafavoaka ho mpandresy tamin’ny manasa-dalan’ny fifaninanana baolina kitra “Telma Coupe de Madagascar 2019” ka hihaona amin’ny lalao famaranana hotanterahina amin’ny 01 na 02 jona 2019 any amin’ny toerana mbola hofaritana.

 

 

 

 Ny voka-dalao manasa-dalana  tamin’ny sabotsy 18 mey teo dia ny Fosa Juniors Boeny 4 – 1 Uscafoot Analamanga (tetsy Mahamasina), Cnaps Sport Itasy (4) 0 – 0 (3) Ajesaia Bongolava (tany Mahajanga). Marihina fa in’efatra nihaona teo amin’ny Thb Champion’s League Malagasy ny Cnaps Sport sy Fosa Juniors nanomboka tamin’ny taona  2016 ka samy efa nibata fandresena in-2 avy, nandresy 1-0 ny Cnaps  sport tamin’ny 20/11/16 sy tamin’ny 23/09/18, ny  Fosa juniors kosa nandresy 2-0 tamin’ny 10/07/18 ary 1-0 tamin’ny 12/08/18.  Hanala vela ny fahareseny 1-0 tamin’ny taona 2018 ka naha tompondaka ny Cnaps tamin’izany ny Fosa raha ny marina.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT