Telma coupe de Madagascar 2023 Hanomboka ny 24 jona ny 1

16n-dalana


  • Alarobia 21 Jona 2023

Hanomboka ny 24 jona izao ny 1/16n-dalan’ny Telma coupe de Madagascar 2023. Faritra miisa 9 no handraisana ireo lalao ka ankoatran’ny eto Antananarivo dia handray izany koa ny ao Mahajanga,

Toliara, Ambanja, Ambovombe, Antsirabe, Fenoarivo atsinanana, Manakara, Tsiroanomandidy. Hisantatra ny eto Antananarivo ny fihaonana eo amin’ny USCAFOOT izay efa mifaninana anaty Pro league sy ny FC Rouge, izay avy eto Analamanga ihany koa. Hamarana izay 1/16n-dalana izay kosa ny fihaonana eo amin’ny Ajesaia, izay mpifaninana anaty Pro league hatrany, amin’ny US Pro avy eto Analamanga. Ao Tsiroanomandidy indray ity lalao farany ity no atao ny 30 jona izao, raha ny fandaharam-potoana voaray avy eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF hatrany. Mbola saika hita ao anaty hazakazaka avokoa ireo heverina fa klioba Malagasy goavana toy ny Elgeco plus, Jet Kintana, Fosa Juniors.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT