Sport

Telma Coupe de Madagascar 2020 Vokatra vitsivitsy ihany no azo hatramin’izao


  • Alarobia 18 Martsa 2020

Vokatra vitsivitsy ihany no azo hatramin’izao teo amin’ny fifaninanana Telma Coupe de Madagascar “2è Tour Préliminaire” notontosaina tany amin’ny kianja maro manerana ny nosy tamin’ny alahady 15 martsa 2020 lasa teo ka izany dia

 

na vokatry ny fifandraisana tsy tapaka amin’ireo tompon’andraikitry ny ligy sasantsany misy izay tsy misalasala mihitsy manome vaovao ho an’ny gazety rehefa takiana an’izany ary koa avy amin’ny facebook-n’ireo ligy sasantsasany izay manavao tsy tapaka “mise à jour” n’ny vaovao avoakany ao amin’izany facebook-ny izany. Marihana etoana kosa fa maro ireo ligim-paritry ny baolina kitra tsy mananana akory an’izany facebook na siteweb  izany ary manahirana dia manahirana ihany koa ny mifandray an-telefaonina azy ireo na dia manana laharana manokana “flotte” avy amin’ny fiaraha-miasan’ny FMF sy ny tambazotran-tserasera iray matanjaka eto amintsika aza izy ireo. Tsindriana manokana etoana ihany koa fa maro amin’ireo taranjam-panatanjahantena hafa no sarotra dia sarotra ny mifandray amin’izy ireo noho ireo toe-javatra voalaza teo ireo.

Ka ireo vokatra azo ary :

Tany Antsirabe : Disiples Fc  Vakinankaratra  4 -2  Fc Real Menabe

Tany Mahajanga : Fco Boeny 1 – 0 Fosa Juniors Analamanga

                              Fckb Boeny (3) 1 – 1 (2) Uscafoot Analamanga

                              Fc Smile Sofia  2 -  1  Fc Jtm Boeny

Tany Fianarantsoa :

                          Relais Sport Matsiatra Ambony  1 – 4  Net Foot Analamanga

                         Pro Charger Ihorombe  0 – 2  Costmt Atsimo Andrefana

                        Vas Y Boaikely Matsiatra Ambony  3 -2  As Comato Atsimo Andrefana

Tany Analavory V7V : Fc Zanagasy V7V  2 – 0  Ffam Amoron’i Mania

                                    As 3Fb Vohipeno V7V  0 – 1 Preci Sport Matsiatra Ambony

Tany Fandriana : Fisakana Fc  4 – 3  Disciples Fc Analamanga

                    Fc Az Amoron’i Mania  2 – 3  Five Fc Analamanga

Tany Toamasina kosa dia voatery nahemotra amin’ny fotoana mbola ho lazaina eto ihany ny fihaonana faha 41 sy faha-42 tokony nihaonan’ny Mmm Atsinanana sy ny Cospn Analamanga sy ny As Fortior Analamanga sy ny As Fanalamanga Alaotra Mangoro noho ny fanamboarana atao ao amin’ny kianja Stadium Barikadimy araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ity ligin’Atsinanana ity. 

 

Ntsoavina Evariste

 

           

.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT