Sport

Telma Coupe de Madagascar 2019 Lasan’ny Fosa Juniors Boeny indray


  • Alatsinainy 03 Jona 2019

Norombahin’ny Fosa Juniors toy ny tamin’ny taona 2018 lasa indray ny amboaran’ny fifaninanana baolina kitra « Telma Coupe de Madagascar 2019 ».

 

Resiny tamin’ny isa 1-0 taorian’ny fanalavam-potoana omaly alahady 02 jona 2019 teo amin’ny lalao famaranana notontosaina tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny CNaPS Sport Itasy. Baolina tafiditr’i Lolody  avy amin’ny  tolotra nataon’i Elefony teo amin’ny minitra faha-115 no fototry ny fandresen’ny fahombiazan’ny Fosa izao. Taratasim-bola 5.000.000 ariary no natolotry ny telma an’ity ekipa tompon’ny amboaran’i Madagasikara 2019 ity, 1.000.000 ariary kosa no azon’ny CNaPS Sport Itasy. Samy notoloran’ny Telma taratasim-bola 800.000 ariary kosa i Ando (CNaPS Sport) mpiandry harato mendrika indrindra  omaly sy Elefony (Fosa Juniors Boeny) mpilala mendrika indrindra ary 500.000 ariary ho an’ny mpanazatra mendriky ny fifaninanana, Bob Kootwijk (Fosa Juniors Boeny).

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT