Sport

Telma Coupe de Madagascar 2018 Norombahin’ny Elgeco Plus Analamanga


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2018

Nifarana omaly alahady 07 oktobra 2018 tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny fifaninanana baolina kitra « Telma Coupe de Madagascar 2018 ». Ny ekipan’ny Elgeco Plus Analamanga no nandrombaka ny amboara sy medaly volamena tamin’ity taona ity niampy taratasim-bola 3.000.000 ar avy amin’ny

 

 

 

Telma rehefa nandresy 2-1 ny As Adema teo amin’ny lalao famaranana. Notolorana medaly volafotsy sy taratasim-bola 1.000.000 ar avy amin’ny Telma ihany koa ity ekipa ity. Samy mbola notoloran’ny Telma taratasim-bola 500.000 ar tsirairay avy kosa ny mpanazatra mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana, ny mpampidi-baolina be indrindra ary ny mpiandry harato mendrika indrindra (Bob sy Dinoh ary Eddie Bastia samy avy amin’ny Elgeco Plus avokoa. « Nanampy betsaka anay Elgeco tamin’ity lalao famaranana ity, hoy Robson Hubert “Boby”mpanazatra ny lalana nodiavina niatrika ny “Champion’s League Malagasy » izay somary henjakenjana ihany ho anay ny niatrehana azy nefa dia azo nakana lesona tsara. Nanambony moraly koa ny nandresenay ny Cnaps Sport teo amin’ny 1/2-dalanan’ity Telma Coupe ity ». “Nanapoka loatra an’ireo mpilalao tanoranay, hoy ny mpanazatran’ny As Adema tetsy an-kilany, ny nahafatesan’ny Elgeco Plus baolina aloha loatra (alohan’ny 10 minitra) tamin’ity famaranana ity ary mbola nisy fiantraikany teo amin’ny toetsaina koa ny mbola nahafatesan’izy ireo ny baolina faharoa, hany ka  nanjary nivoana ny tamin’ny toromarika hilalao baolina ambany nomena azy izy ireo sady nanampi-trotraka ny fahavoazana koa ny mbola fananan’ny mpilalaon’ny Elgeco traikefa amin’ny lalao lehibe tahaka itony”.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT