Sport

Telma Coupe de Madagascar 2018 Hiato kely noho ny Thb Champions League 2018


  • Zoma 22 Jona 2018

Araka ny efa fantatra dia hanomboka anio zoma 22 jona 2018 any amin’ireo toerana 4 voafidy (Mahajanga, Antsirabe, Tsiroanomandidy, Toliara) ny dingana voalohany amin’ny Thb Champions league Malagasy.

 

Hiato kely aloha, noho izany, ny fifaninanana Telma Coupe de Madagascar izay nahatanteraka ny 1/32-ndalana nanerana ny nosy tamin’ny sabotsy 16 sy alahady 17 jona lasa teo. Voaray avy amin’ny tompon’andraikitry ny baolina kitra any amin’ny ligin’i Matsiatra Ambony anefa fa nisy tamin’ireo lalao 1/32-ndalana ireo no voatery naverina noho ny antony samihafa ka natao ny alarobia 20 jona tao amin’ny kianjan’Ampasambazaha Fianarantsoa ohatra  ny fihaonan’ny  Soavadia Fc Matsiatra Ambony sy ny Fc Mahenina Isandra Matsiatra Ambony noho ny naharesy ambony latabatra ny Ufc Antsirabe Vaknà nihaona tamin’ny Soavadia Fc tao Ampasambazaha tamin’ny 17 jona teo. Ny Fc Mahenina no nivoaka ho mpandresy tamin’ny 1-0. Afak’omaly talata 19 jona ihany koa dia nisy ny famerenana ny lalao tsy vita tany Manakara tamin’ny 17 jona ihany ka nihaonan’ny Vfm V7V sy ny As Adema Analamanga nirava tamin’ny fandresen’ny As Adema tamin’ny tirs au but 5-4 ity famerenana ity, mbola tao amin’ny kianja Ampasambazaha Fianarantsoa no nanatanterahana izany.

Vokatra hafa azo tamin’ity 1/32-ndalana natao tamin’ny 17  jona ity :

Tany Toliara : Comato Junior A/Andrefana (0)0-0(2) Fcb M/Ambony ; Fcm A/Andrefana (3)0-0(4) Fomela M/Ambony ; As Costem A/Andrefana – Zanakala Fc M/Ambony (Tsy vita noho ny haizina ny lalao na koa tsy nety nilalao intsony ny Zanakala Fc)

Tao Fianarantsoa :  Fc Lam M/Ambony (3)1-1(1) Impots Sport A/Andrefana

Vokatra azo teto Analamanga : Fosa Juniors L1 Analamanga 10-1 Espoir Tanambe Alaotra Mangoro ;  Five Fc Analamanga 2-0 As Fanalamanga Alaotra Mangoro ;  Cffa Analamanga 3-1 Tam Mjk Analamanga ;  Uscafoot Analamanga 1-0 Fcv Vaknà  ;  Cosfa Analamanga – Enac Sport Boeny (Forfait)

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT