Sport

Telma Coupe de Madagascar 2018 eto Analamanga Nafindra etsy Mahamasina anio zoma ireo lalao roa


  • Zoma 24 Aogositra 2018

Raha efa nofaritan’ny FMF « Federasion’ny Baolina Kitra Malagasy » tamin’ny antsapaka natao teny Andraharo tamin’ny alatsinainy 20 aogositra teo fa

 

hotanterahina eny amin’ny kianjan’i Vontovorona ireo lalao roa amin’ny 1/4-dalan’ny Telma Coupe de Madagascar 2018 ho raisin’Analamanga dia fantatra izao noho ny fandaminana natao fa ho tontosaina etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina anio zoma 24 aogositra avokoa ireo lalao roa ireo. Handray ny Cosfa eo amin’ny tokontaniny ny Uscafoot izay nambaran’ny filohany, Andriamanampisoa Gégé Bosco, fa tsy hampiova ny toetsain’ireo mpilalaony hiatrika an’ity fifaninanana ity izao fanovana amin’ny ora farany izao satria efa ambony « morales » izy ireo  hibata ny amboara « Telma Coupe 2018 »

12:30- As Adema Analamanga # Fc Ilakaka Ihorombe

14:30-Uscafoot Analamanga # Cosfa Analamanga

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT