Sport

Telma Coupe de Madagascar 2017 Norombahin’ny Som Fosa Junior ny amboara


  • Alatsinainy 27 Novambra 2017

Voalohany teo amin’ny tantarany hatramin’izay 2 taona niorenany izay no nandrombaka amboara nasionalin’ny baolina kitra ny ekipan’ny Fosa Junior avy any Mahajanga.

 

 Lavon’ny ekipan’i Bob sy Menakely tamin’ny isa 2 no ho 1 ny ekipan’ny Cosfa Analamanga omaly teo amin’ny lalao famaranana ny “Telma Coupe de Madagascar” notontosaina tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina nahavory olona niaina tao anatin’ny fankafizana ny baolina kitra Malagasy indray. Niavaka kosa ny nianjaika ny akanjo vonin-doranjin’ny Fosa Junior sy ny menan’ny Cosfa na dia tsy nanao ireo akanjo ireo aza ireo ekipany. Raha ny marina dia ny mpilalaon’ny Fosa Junior avokoa no nampiditra an’ireo baolina 3 ireo tao anaty harato ka ny baolina voalohany dia tafiditry ny vodilaharan-dry zareo i Théodin avy amin’ny corner azon’ny Cosfa navilin’ny lohan’i Nono teo amin’ny minitra faha-28. Ny baolina faharoa dia “Coup Franc” nodakan’i Santatra  teo amin’ny minitra faha-78 ary ny baolina faha-3 dia baolina matin’i  Jean Yves teo amin’ny minitra faha-83.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT