Sport

Telma coupe de Madagascar 2017 Cosfa sy Fosa Junior no hiatrika ny famaranana


  • Alatsinainy 06 Novambra 2017

Tontosa omaly alahady 5 novambra 2017 tany Fianarantsoa sy tany Mahajanga ireo lalao ankatoky ny famaranan’ny fifaninanana Telma Coupe de Madagascar 2017 ka nahazoana ny vokatra : Cosfa 3-2 As Adema ; Fosa Junior 2-0 Jet Mada.

Tafita hiatrika ny lalao famaranana araka izany ny Cosfa Analamanga sy ny Som Fosa Junior Boeny ka raha ny sitraky ny FMF, hoy ny SG-ny, Rakotomalala Stanislas, dia ho eo amin’ny kianjan’i Mahamasina no hanatanterahana anio amin’ny 26 novambra izao saingy miankina amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena hatrany izany

Eo amin’ny lalao Thb Champion’s League 2017 kosa dia tanan’ny FMF, hoy ihany ity SG ity, ny fanapahankevitra ny handrosoana ny dingana faharoa amin’ny Poules des AS amin’ny 08-12. Tsy noraisina araka izany ny fandavan’ny ekipa 3 (Elgeco Plus sy Cosfa ary ny Hzam) ny nanovana ny tetiandro voalaza mialoha.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT