« Telma Coupe de Madagascar » 1

4-dalana Hanao valin’ady amin’ny Fosa Juniors ny Jet Mada


  • Zoma 03 Mey 2019

Hangotraka ireo lalao 1/4-dalan’ny fifaninanana “Telma Coupe de Madagascar 2019” hotontosaina eto Antananarivo sy any Mahajanga amin’ny alahady 05 mey ho avy izao.

 

Tsy hisy intsony mantsy ny lalao miverina hatao. Eto Antananarivo, fantatra fa hanonitra ny fahareseny 2-0 teo amin’ny ankatoky ny famaranana tamin’ity fifaniannana ity tamin’ny taona 2017 nanoloana ny Fosa Juniors Boeny tany Mahajanga ny As  Jet Mada Itasy izay marihana fa  efa nanao ady sahala tamin’ity ekipa ity ihany tetsy Mahamasina tamin’ny 13 aprily 2019 teo. Hanohitra ny Uscafoot Fivondronana Antananarivo eo an-jaridainany kosa amin’ny lalao iray hafa ny Costm avy any Atsimo Andrefana. Any Mahajanga kosa dia tsy hifampitsitsy tanteraka fa samy mivahiny an-tanin’olona ny Elgeco Plus A/Manga sy Ajesaia Bongolava an-daniny sy ny Cnaps Sport Itasy sy ny Cffa A/Manga an-kilany.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT