Sport

Tek Chuan Do Combat Libre Hangotraka ny fifaninana


  • Alakamisy 17 Oktobra 2019

Mikarakara fifaninana ho an’ny ankizy katitakely ny Madagasikara TCDCL (Tek Chuan Do Combat Libre) izay misehatra amin’ny tontolon’ny alahady 22 desambra hoavy izao.

 

 

 Hampiavaka azy io ireo “teste de combat” ho an’ireo vehivavy lehibe ary harahana “combat” ho an’ireo nihofana ho mpampianatra ao amin’ny TCDCL. Izao no natao dia hijerevana ireo sangany amin’ny “combat libre TCDCL” eto Madagasikara ary koa hiomanana  amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny taona 2020, hoy ny mpikarakara. Tsara manidry fa ny TCDCL na Tek Chuan Do Combat Libre dia mijoro ara-panjakana izay efa manomboka miparitaka manerana Nosy. Ankoatra ny “combat libre” dia misy ny fampianarana “self-defense” na fiarovan-tena ho an’ny vehivavy lehibe sy lehilahy lehibe . ny foibe TCDCL dia ao Dojo RM1 Analakely isaky ny alahady maraina amin’ny 07ora sy amin’ny 10ora ary amin’ny 02ora ny fanazaran-tena , ny grand maitre Tahina andrianaivo no nitondra sy namorona ny TCDCL eto Madagasikara.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT