Sport

Teatra Malagasy Hanomboka ny taona teatraly 2020


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Araka ny efa fantatra dia ny volana martsa isan-taona no fanombohan'ny taona teatraly eto Madagasikara.

 

 

Amin'ity volana martsa 2020 ity dia hisy hetsika hataon'ireo mpanakanto ao amin'ny FMTM  “Fikambanan'ny Mpanao Teatra Malagasy” ka anio   alakamisy 05 martsa 2020 manomboka  amin'ny 3 ora hariva dia hisy vela-kevitra mikasika ny  lanjan'ny tantara fisehatra fohy "pièce courte", fitaovana fampianarana sy fanabeazana eo anivon'ny fiarahamonina hataon-dRavaloson Mbato Ravaloson izay  filohan'ny FMTM ary mpikambana mahefa ao amin'ny Akademia Malagasy sady mampianatra ihany koa ny "expression Dramatique" ao amin'ireo oniversite tsy miankina sasantsasany eto amintsika.

05 ka hatramin'ny 08 martsa 2020  : fitsidiham-paritra (Antananarivo, Antsirabe, Ambositra, Fianarantsoa ary  any Toliara) ataon’ny  Sakaizan'ny Teatra Malagasy ao amin'ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo izay eo ambany fiahian'ny FMTM ka  hiseharan’izy ireo  tantara fohy  “pièce courte” amin’izany

Ny 08 martsa Andron'ny Vehivavy eran-tany dia ny " Ampela, sitraho ny zontsika"   sy ny "Ampela vonona ny aty" no tantara holalaovin'ny Sakaizan'ny Teatra Malagasy izay  fiaraha-miasa amin'ny Association Fitia. Marihina fa manamarika ny fahadimy taona niorenany moa ny Sakaizan'ny Teatra ami'ity taona ity , koa ireo andiany voalohany dimy taona lasa izay no hanao an’io fitsidiham-paritany io.

Alahady 22 martsa : Fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny  “Andro Eran-Tanin'ny Teatra” ao  amin'ny Alliance Française Andavamamba izay nandray ny Mpanao Teatra Malagasy mba hifandimby hisehatra ao ireo tropy  vitsivitsy. Ny tantara  HENJAN-DROA misy fizarana telo nosoratan'i Wast Ravelomoria no hovelomin'ny FMTM.  Aorian'io dia hisy fampisehoana teatra  eto Antananarivo sy any amin'ny Faritra sasany.

Zoma 27 martsa no Andro Eran-Tanin'ny Teatra  "journée mondiale du théâtre". Ny Institut International du Théâtre IIT UNESCO moa no mitarika an'io. Efa misy ny IIT MADAGASCAR izay niorina tamin'ny taona 2018. Isaka ny 27 martsa dia misy hatrany ny hafatra atolotry  ny mpanakanto homen'ny IIT UNESCO, izay haparitaka maneran-tany. Omena antsika io hafatra io izay misy amin'ny teny frantsay sy teny anglisy ary hadikan'ny IIT Madagasikara amin'ny teny malagasy, rehefa manakaiky ny 27 martsa.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT