Te ho Barea i Keyliane Abdallah

Mahavelombolo ny taninketsa


  • Zoma 22 Mey 2026

Azo ambara ho mahavelombolo amin'izao

fotoana izao ny taninketsa eo anivon'ny ekipam-pirenena malagasin'ny baolina kitra na Barean'i Madagasikara satria dia efa nampipololotra ny finiavany te ho Barea sahady ihany koa ilay lohalaharana milalao ao amin'ny Olympique de Marseille, divizionina voalohany ao Frantsa, Keyliane Abdallah. Na dia teraka tao Mayotte aza ity tovolahy 20 taona, mirefy 1,85 metatra ity, dia efa naneho ny heviny izy mikasika izay faniriany ho tafiditra anaty ekipam-pirenena malagasy izay manomboka amin'io volana jona io. Heverina, noho izany, fa mety hanahirana ihany ho an'ilay tekinisianina frantsay, Corentin Martins, ny hifantina ireo lohalaharana amin'ny fiatrehana ireo fifaninanana iraisampirenena mila omanina ato ho ato. Ny lehibe indrindra amin'izay moa dia ny amboara eran-tany sy ny amboaran'i Afrika. Ny lafiny fanafihana, izay hita ho isan'ny lesoky ny ekipam-pirenena niverina nisongadina indray taorian'ny amboaran'i Afrika na CAN 2019. Inoana fa hahaliana noho ny hita rehetra tato anatin'izay 7 taona farany izay, noho izany, ny ekipam-pirenena malagasin'ny baolina kitra ato ho ato.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT