Sport

Tarika « Maggik Mada » Mihira ny fiainana


  • Zoma 10 Novambra 2017

Ny taona 2015 no nahita masoandro ny tarika « Maggik Mada ». Tanjona ho an’ity tarika ity ny hanambara ny zavamisy tazan’izy ireo eny anivom-piarahamonina (Fitiavana, fiainam-pirenena, fivavahana…. )

ho amin’ny endrika kanto an-kira ravahana dihy. Nomarihan-dRambola lehiben’ny tarika fa talenta avy amin-janahary ny fahaizana milalao ny mozika koa tsy maintsy hapariaka hojifain’ireo Mpiara-belona izany mba hitondra hafaliana ary koa ho fizarana mandrakariva anatra sy lesona ho enti-miaina sahaza ny isam-batan’olona. Tsy mihanona amin-gadona tokam-bolo ny tarika fa milalao ny ban-kira mihetsika toy ny “slow” ary havanana ihany koa amin’ny famolahana ny gadona mampitsinjaka toy ny reggae, sud af ary ny fampiarahana ny horija betsileo amin’ny tsapiky. Ity farany izay fikarohana lalina nataon’ny “Maggik Mada”. Ampahany amin’ireo vazo efa voajarin’izy 8 mianadahy mandrafitra ny tarika ny “Vadin-dRapatron”. Rindran-tsary be mpankafy tokoa ankehitriny. Andalana ho amin’ny famoahana ny vokakanto laharana voalohany hisalotra ny hoe : “Mandeha ny resaka” ankehitriny ry “Maggik Mada” izay hirakitra sanganasa miisa 9 ary hivoaka amin’ity faran’ny taona ity. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa samy ankohonana iray (ray aman-dreny sy zanaka) ireo mpikambana eo anivon’ny tarika “Maggik Mada”.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT