Sport

Taranja tsipy kanetibe Tsy tokony hohadinoina, hoy ny FFAM


  • Zoma 22 Novambra 2019

Ankoatra ny baolina kitra izay nampiray sady nanandratra ny voninahitr’i Madagasikara tamin’ny alalan’ny BAREA dia tsy tokony hohadinoina ny tsipy kanetibe hoy ny fikambanana mpanao asa soa FFAM (Force Féminine d'Aide Mutuelle).

 

 

Efa nahita fahombiazana tamin’io isika ary efa tompondaka maneran-tany mihitsy. Tokony hotrandrahana hatrany ireo mpilalao mahay, hoy ny filohan’ny fikambanana Rasolofonoroniaina Julia Mickaelle na i Mishah nandritra ny fanolorana kianja manarapenitra sy fitaovana ny tanora mivondrona ao amin’ny Bouliste Club Anosizato (BCA). Misy ny lalao hitarafana ireo matihanina sy hanamafisana hatrany ny firaisan-kina izay tanjon’ny fikambanana FFAM hatrany am-boalohany. Hiadivana izay ho tompondakan’ny kaominina Anosizato Andrefana io lalao io ary ny sabotsy izao no hahafantarana izay ho tompondaka.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT