Sport

Taranja Tolona Hanainga anio ho any Algerie ireo Atleta Malagasy


  • Alatsinainy 03 Febroary 2020

Ny vaovao farany azo mikasika ny olana mianjady eo amin’ny taranja tolona Malagasy amin’ny tsy fahazoan’ny delegasiona ahitana olona 6

 

 

 

novinavinaina handeha ho any Algerie hiatrika ny ho tompondakan’i Afrika hotontosaina manomboka anio 03 - 10 febroary 2020 noho ny olana ara-bola hoentina amin’izany dia fantatra, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasion’ity taranja ity, Raveloson Mamitiana, tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana fa nantsoin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny minisitera MJS izy ka nilazany fa tsy tafavoaka amin’ny ara-bola mihitsy ry zareo ka nanome soso-kevitra an’ity filohan’ny Federasiona hikaroka vola handefasana an’ireo mpilalao fa rehefa tonga ny volan-dry zareo dia nanome toky kosa izy ireo fa soloiny manontolo.  Nanapa-kevitra ary Atoa Raveloson Mamitiana rehefa nikaroka vola fa mpikatroka 4 no halefany any Algerie fa ny mpikatroka iray sy izy tenany kosa voatery tsy maintsy mijanona eto an-toerana. Fantatra ary, araka ny fanazavana nomeny ihany fa anio tolakandro no hiondrana amin’ny Turkish Airline hihazo an’i Algerie izy ireo.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT